♦ Lany tsy nasiam-panovàna sy tsy nasiam-panitsiana teny amin'ny Antenieram-pirenena eny Tsimbazaha, omaly 23 novambra ny LFI 2022... ♦ Be loatra ny fitsabahana amin'ny famerana ny  saran-dalana hoy ireo mpitatitra ka antony mbola mampiady hevitra ny mpitatitra sy ny fitondrana, mikasika ny sara-dalana... ♦ Marobe ireo entana, sakafo lany daty, efa maherin'ny 2 000 karazana, no tra-tehaka tany an-drenivohitr'i Tsiroanomandidy, nodorana omaly izany...

♦ Mba hahatratrarana ny tanjona ara-pahasalamana dia singa telo no fototra sy antoka tsara ananana : Sakafo ara-pahasalamana, torimaso tsara ary ny fampiasam-batana. ♦ Ny fandrindrana ny vohoka dia olana ho an’ny tokantrano sy ny tanora. Mandrisika ny tanora hiroso amin’ny firaisana ara-nofo ny fandrindram-piterahana ka tokony ho ny mpivady ihany no tena resahana azy.

♦ Ny fanamafisana ny fahafahana marina amin'ny alalan'ny fampiasana ny fisokafana ara-toe-karena sy ny fampiasana ny nomerika stratejika no lohahevitra hifantohan'ny fivoriana an-tampony faha-21-ny COMESA, atao any Ejipta... ♦ Nivoaka tsikelikely ny efitrano fivoriana ary tsy nandany ny LFI ny solombavambahoaka TIM, omaly... ♦ Hanao fanadihadiana Maharitra eny anivon'ny Tokantrano na ny EPM isika amin'ity taona 2021 ity, sivy taona aty aorian'ny fanadihadiana farany...

Tsy mora ny mamantatra ny antso ka mila ny hafa mandrakariva hampahafantatra azy tsaratsara kokoa. Indraindray isika miantsampy amin'ny hazo tsy fantatra, mitompo teny fantatra fa nantsoin'Andriamanitra ho amin'izatsy na izaroa. Soa fa teo ny hafa afaka manampy antsika hamantatra marina izany. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...