Loza mananontanona efatra lehibe ihany no tsongaina androany ; raha tsy mifankahery sy mifanohana isika rehetra dia mitondra mankany amin'ny aretina sy mety ho fahafatesana daholo : ny fahalotoan'ny rivotra iainana, ny valanaretina covid-19, ny tsy fahampian-drano saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara, ary ny fahaefatra dia ny fahantrana lalina.
♦ Nitokona androany, ireo mpiasa ao amin'ny valanjava-boaharin'i Tsimbazaza, manoloana ny feo miely fa homena hotantanin'ny tsy miankina io toerana io. Tsy naharesy lahatra azy ireo ny fanamabaran'ny Minisitera mpiahy... ♦ Hanaovana antso avo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny hain-tany sy ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny nosy... ♦ Very 10 tapitrisa Ariary ny kitapom-bolan'ny kaominina Ampanotokana Ambohidratrimo, noho ny fikatonan'ny tsenan'omby tato anatin'ny telo herinandro...
♦ Tsy marina ny filazàna fa nafindra amin'ny vahiny na amin'ny fondation Axian ny fitantanana ny valan-java-boahary eny Tsimbazaza hoy ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Hatao lavanty ary ampanarahana ny fenitra ireo kaontenera misy sakafo tsy azo hohanina intsony sy praovandy, miisa 103 ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, isan'ny tapaka tamin'ny filankevitry ny ministra omaly izany... ♦ Manentana ny zatovo sy ny tanora hiaro ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny baolina kitra ny Orange Madagascar. Naompana amin'izay tanjona izay indray ny fifaninanana Orange kitra 2021, lalaovin'ny olona 7 ho an'ny zatovo 12 sy 13 taona...
Maro ny endrika ahafahana maneho fitiavana. Ny endrika fahaefatry ny fanehoana fitiavana dia ny fanomezana. Mba hiainana ny tena fitiavana dia irina mba ho tanteraka izay "fanomezana" izay, amin'ny lafiny maro, eo amin'ny fianankaviana sy ny namana, ary indrindra eo amin'ny mpivady sy mpifankatia. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco