♦ Fahadisoan-kevitra ny filazàna ny mbola hitakiana ireo nosy manodidina, hoy ny Pr Raymond Ranjeva. Nambarany fa efa neken'ny Firenena Mikambana fa an'i Madagasikara ireo nosy ireo... ♦ Mahazo vahana tato ho ato ny fisian'ny didim-pitsaràna hosoka eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga voalohany Antananarivo... ♦ Ny 4,8%-ny mpiasa amin'ny sehatra tsy manara-drafitra dia amin'ny asa fanorenana avokoa, araka ny fanadihadian'ny ONEF, notohanan'ny OIT...

Hoy ny Pape : rehefa nanao "eny" fa hanao ny sitrapon'Andriamanitra dia manana hery handresena ny tahotra eo am-panorenana ny ho avy. Ry tanora malala, aleoko mahita anareo mavitribitrika fa tsy kanosa sy votsavotsa.  Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Sabotsy 6 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 9-15

♦ Efa neken'ny Firenena Mikambana fa an'i Madagasikara ireo nosy manodidina, ka fahadisoan-kevitra ny filazana ny mbola fitakiana ireo nosy ireo, hoy ny Profesora Raymond Ranjeva... ♦ Tranga roa na telo isan-kerinandro no tra-tehaka mahakasika ny didy hosoka eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo. Nisy didim-pitsarana hosoka tratra indray androany...

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...