Zoma 8 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 15-26

♦ Resy fanintelony ny Barean'i Madagasikara, amin'ny fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2022. Lavon'ny RD Congo tamin'ny isa 2 no ho 0 ny Ekipam-pirenena malagasy androany tolakandro... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ny fampiasana fahatany ny volan'ny CNaPS, ny Randrana Sendikaly. Fitakiana momba izany androany, no nanamarihan'izy ireo ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny asa mendrika, isaky ny 7 oktobra...

♦ Tafapetraka androany ny Faritra faha-23 eto Madagasikara. Manatrika ny lanonana any Mananjary ny filohan'ny Repoblika sy ny Praiministra... ♦ Nihaona nandritra ny ora efatra androany ny Evekan'i Morondava sy ny lehiben'ny fampanoavana ao amin'ny fitsaràna ambaratonga voalohany ao Morondava. Resaka manodidina ny asan'ny fitsaràna sy ny kolikoly... ♦ Nanoratra taratasy tatsy Afrika atsimo mba hitsaràna ny raharaha volamena 73 kilao, tatra tany, ny AVG...

Ilaina ny fanokanana fotoana ho an'ny fianankaviana. Ny fotoana manokana, eo amin'ny mpivady, eo amin'ny mpianaka dia endriky ny fanehoam-pitiavana. Io fanokanana fotoana io dia mampifanakaiky am-po, sy hanova tanteraka ny rivo-piaraha-monina. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...