Mihamahazo laka amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny famokarana biolojika. Maro ny tantsha efa misehatra amin'izany. Tantsaha iray Andriamatoa Ranaivoson Fleuris avy eto amin'ny Faritra Analamanga no nahazo tombontsoa amin'izay famokarana biolojika izay, dia ny famokarana tsy mampiasa taharo simika.

♦ Nodoran'ny fokonolona, tsy faly tamin'ny tifitra nataon'ny zandary, ka nahafaty lehilahy iray tao amin'ny Kaominina Antanetibe Anativolo, Distrikan'Anjozorobe ato amin'ny Faritra Analamanga, ny biraon'ny zandary tany an-toerana... ♦ Toherin'ny mpianatra monina eny amin'ny Cité Ravitoto ny fikasana hanangana toeram-pitsaboana CSB2, tsy lavitra ny faritra misy azy ireo. Nanao hetsika nanehoana izany izy ireo omaly ary mbola nitohy tamin'ity androany ity...

Dingam-piainana ho lalovan'ny ray sy reny ny ho zokiolona, voajanahary izany. Manana ny anjara toerany ny zokiolona ka isan'ny ireny : Manamora ny hanorenantsika ny ho avy. Mitahiry ny fahalalana toa ny soatoavina, ny finoana ny ray aman-dreny, manana andraikitra hananatra sy hizara fitiavana ihany koa. Manan-jo hisitraka fitiavana sy valim-babena ny ray aman-dreny, indrindra amin'ny fahanterany, mety ho latsakemboka na fananganana lalam-pihariana kely ahafahany miaina am-pilaminana.

♦ Hajoro eto amintsika manomboka izao ny antokon-draharaha hisahana ny fanagiazana ireo fananana azo avy amin'ny tsy rariny. Nitondra fanazavana momba izany ny Praiminisitra, androany... ♦ Feno 60 taona katroka androany, ny Polisim-pirenena. Hiroso amin'ny fanovan-drafitra koa ity sampana mitandro ny filaminana ity, manoloana ny ambana misy ankehitriny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...