Ny olona tsirairay dia sady manana zo amin'ny soa iombonana no manana adidy hampanjaka sy hikolokolo izany. Manana adidy isika hitondra ny anjara biriky amin'ny fanorenana sy fanohizana ny soa iombonana. Mila mifanome tanana ny tsirairay eo anivon'ny sehatra misy azy hanasoa ny hafa. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.

Alahady 15 aogositra 2021 — Ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56

Ny zaza voaloboka dia fiforonana vohoka tsy ho ary, noho ny tsy fahatomombanan'ny fitsaihina izany hoe tsy araka ny tokony ho izy ny fihaonan'ny atodinaina vavy sy ny atodinaina lahy. Misy karazany roa ny tranga "zaza voaloboka" : voalohany, mety ho ny atodinainay vavy no tsy tomombana " môle hydatiforme complète " ;  faharoa ny atodinainay lahy no tsy tomombana "môle hydatiforme partielle"... 

♦ Manomboka miakatra ny vokatra any amin'ny faritra atsimon'ny Faritra Anosy sy Androy amin'izao fotoana izao. Mbola mafy kosa ny kere any amin'ny tapany avaratr'ireo Faritra ireo, hoy ny CFM... ♦ Tokan-trano sahirana miisa 500 no nisitraka ny tetik'asa "Ankohonana Miatrika" tao amin'ny Kaominina Mahereza-Ambohidratrimo... ♦ Mitaky hatrany ny mangarahara sy ny tokony handinihina lalina ny fomba ametrahana ny Tahiry Malagasy ho an'ny fampiasam-bola mahaleo-tena ny firaisa-monim-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...