Talata 10 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 24-26
♦ Tsy nisy ny olana goavana androany, nandritra ny andro voalohany amin'ny fanadinam-panjakana bakalorea... ♦ Voatery manaraka fitsaboana any Morondava, ny mpampianatra iray izay niharan'ny daroky ny miaramila ao amin'ny Kaompania 510 Belo-sur-Tsiribihina... ♦ Nahitana fiakarany kosa ny trangana herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny tovovavy araka ny fanadihadian'ny FNUAP...
♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny Eglizy ny Papa François, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Napetraka omaly ny Tonian'ny Fivondronana faha-11 ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Aumônerie militaire ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Notontonsaina ny 7 sy 8 aogositra teo ny fivoriam-be faharoa fanaon'ny FFVA teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo...
♦ Nanome fe-potoana ho an'ny tompon'andraikitra, hamaha ato anatin'ny andro vitsy ny fidangan'ny entana ilain'ny mponina andavan'andro ny filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Voafehy amin'izao ilay valan'aretina "FVR" nahazo ny omby sy ny ondry aman'osy tamin'ny faritra vitsivitsy teto amintsika... ♦ Ho tanterahina ny 29 aogositra izao ny lanonana fitokanana ny kianja Barea Mahamasina, ho santarina amin'ny lalao ara-pirahalahina hiaonan'i Barea sy ny ekipa avy atsy Seychelles...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco