♦ Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny ministra ny fahafahana mitondra razana any amin'ny faritra. Misy ny fepetra iarahana amin'ny Polisim-pirenena ka itakiana ny fampisehoana taratasy momba izany... ♦ Nodimandry noho ny fijanonan'ny fo nahazo azy ny tale teknika nasionalin'ny Baolina kitra na ny DTN eo anivon'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina kitra Jean François Debon... ♦ 10 jona ankalazàna ny andro maneran-tany ho an'ny asa tanana izao. Mila fijerena manokana ny sehatry ny asa tanana izay tena miha-mihemotra hatrany hoy ny mpisehatra iray ao anatin'ny tontolon'ny asa tanana...
Tsy tokony atao sakana ny elanelan-taona misy amin' ny mpivady. (09-06-2021)
♦ Tsy heken'ny mponina eny Antanandrano ao Antananarivo Renivohitra ny asa fametrahana fotodrafitr'asa ataon'ny orinasa iray misahana ny fifandraisan-davitra... ♦ Voasakana teny Ambohimangakely lalam-pirenena faharoa indray omaly ny fiara nitondra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nihamafy ny fomba nanakanan'ny zandary raha oharina tamin'ny herinandro... ♦ Valan'aretina Covid-19, miisa 28 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny fitiliana 366 natao afak'omaly...
Alakamisy 10 jona 2021 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco