♦ Nanakoako nanerana ny nosy omaly ny fanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny Vehivavy. Tany Antsiranana ny fanamarihana nasiônaly, notarihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena tamin'ny alalan'ny fambolena honko... ♦ Mitaky amin'ny fitondrana malagasy, hanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena hampiroboroboana ny zon'ny vehivavy ny Filankevi-pirenena momba ny vehivavy eto Madagasikara...

Talata 9 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21-35

♦ Mitaky fanampiana avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra eny amin'ny tsenan'ny Coum 67Ha... ♦ Vola maherin'ny 140 tapitrisa Ariary kosa no lasan'ireo jiolahy, nandritra ny fanafihana banky tany Antsirabe...

♦ Mbola hanao ny tatitra ho an'ny vahoaka ireo député Tim mbola tsy nahavita ny azy ho ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Tsy eken'ny mpiasan'ny fahasalamana ao Tsiroanomandidy ny fanalàna tsy misy fanazavana ny lehiben'izy ireo  ka hanoloana azy olon-kafa... ♦ Ampitomboina ny vola alaina amin'ny varotr'omby ao amin'ny Kaominina Ampanotokana... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...