29 jona — I Masindahy Pierre sy i Paul moa dia Apôstôly roa lehibe. Tsy azo ampitahana izy ireo, nefa niombona aina tamin’ny finoana ka samy naiditra am-ponja noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. I Pierre no nisolo an’i Kristy teo amin’ny fitantanana ny Fiangonana, i Paul kosa tsy nikely soroka, tsy nitandro hasasarana tamin’ny fampielezana ny finoana teo amin’ireo Grika sy ny Romanina.

Ireo mpisoron'i Kristy na ny Pretra na ny Eveka dia mandray anjara feno amin'ny fisoronan'i Kristy ilay Mpisoron'ny Avo indrindra, manolotra ny mofo sy divay ho Sorona velona sady masina hasandratra amin'Andriamanitra Ray. Ny asa rehetra atao dia vavaka fa iaraha-miasa amin'Andriamanitra ; ary tsy izay ihany fa ny fiainana manotolo koa dia vavaka.  Izao tontolo izao dia tokony atolotry ny lahika amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

Alahady 29 jona 2025 : Fankalazana manetriketrika an’i Masindahy Piera sy i Paoly, Apôstôly ; ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Masindahy Piera no nanankinan'i Jesoa ny Eglizy, tao Cesare an'i Filipo. Apôstôly roa lehibe tsy azo hampitahaina i Masindahy Piera sy Paoly : nanankinana ny Eglizy, nanely ny finoana, samy nijoro tamin'ny finoana. Nitety firenena maro tany Eorôpa i Masindahy Paoly, ary notapahan-doha tao Rome tamin'ny taona 76...

28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...