Alakamisy 02 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavan-taona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8 — Fanilon'ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako.

♦ Nisy olona roa indray namoy ny ainy vokatry ny valan'aretina Coronavirus... ♦ Firenena voalohany aty Afrika, nanolotra fomba fitsaboana ny aretina avy amin'ny Covid-19, ka hanao ny essai clinique i Madagasikara... ♦ Misy toerana dimy karazana ao amin'ny CMC-19 na ilay ivon-toerana fitsaboana ny Covid-19 eny amin'ny Tanana Voara Andohatapenaka...

♦ Isan'ny seha-pihariana mampiditra vola vahiny betsaka ho an'i Madagasikara ny fitrandrahana lohamenaka. Nifampidinika tamin'ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny ekipan'ny Vondrona GEHEM... Nanomboka ny alatsinaina lasa teo ka hatramin'ny rahampitso alakamisy dia manam-boninahitra miisa 84 no miatrika adina am-bava eny anivon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena eny Ampahibe...

♦ Ny tranga vaovaon'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, 75 amin'ireo 76 voamarina omaly dia avy eto Antananarivo avokoa. 28 no sitrana soa aman-tsara. Nihena enina kosa ireo marary mafy... ♦ Andriamatoa Benaivo Andrianaly Narcisse no voafidin'ny Solombavambahoaka hisolo tena azy ireo eo anivon'ny CENI...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...