♦ Ho sarotra ny hahatratrarana ny fitombon'ny harinkarena faobe 4% mahery ny amin'ny taona 2021 , raha ny rafitry ny teti-bolam-panjakana amin'ny taona ho avy... ♦ USAID sy ny DOI-ITAP : nanolotra 150.000 dolara ho an'ny fikambanana TSA hiantohana ny fahaveloman'ny sokatra miisa 24.000... ♦ Fifidianana filoham-panjakana amerikana : tsy nisy hosoka hoy ny ministry ny fitsarana amerikana...

♦ Fanavaozana ny lisim-pifidiana : nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy tany Fianarantsoa ary haharitra hatramin'ny faha 15 may 2021... ♦ Fanampiana ara-bola ny sekoly tsy miankina : tsy sehatra hitadiavam-bola ny fanabeazana fa sehatra hanasoavana... ♦ Ny eveka sy ny fiombonan'ny kristianina : antotan-kevitra novokarin'ny ao Vatican ho ampahafantarina amin'ny 04 desambra...

Alarobia 02 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Matio 15, 29-37 — Tongava, ry Tompo, ary aza ela ; vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

♦Andro maneran-tany iadiana amin'ny aretina VIH/SIDA : Niara-nanamarika izany ny fikambanan'ny mpitsabo katôlika AMCM, ny Centre Arrupe sy ny ONG SAVE... ♦ Vaomieran'ny eveka : Heverina ho toa ny famonoana ny fanabeazana sy ny fampianarana ny nanafoanan'ny fanampiana ara-bola ny sekoly tsy miankina... ♦ Filoha Alzeriana Abdelmadjid Tebboune : hiverina an-tanindrazana rehefa avy nitsabo tena noho ny Covid-19...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...