♦ Hitodika any Toamasina anio ny mason'ny Malagasy rehetra, amin'ny lalaon'i Barea sy i Côte d'Ivoire. Ho entintsika eto ny zava-misy any an-toerana, amin'izao ora efatra mialohan'ny lalao izao... ♦ Namory ireo ministra voakasiky ny fitandroana ny filaminana teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo omaly ny Praiministra, manoloana ny tranganà fanolanana sy tsy fandriam-pahalemana... ♦ Nametram-pialàna ny ministry ny raharaham-bahiny armeniana. Miaina anaty krizy ity firenena ity...
♦ Hotanterahina anio tolak'andro ny lalao miverina eo amin'ny Barea sy ny Elefanta ivôriana, izay ho tanterahina any amin'ny kianja Barikadimy Toamasina... ♦ Manao antso avo amin'ny fanjakana ireo mpiasa roa eo anivon'ny Jirama. mbola tsy tafaverina amin'ny asany izy ireo, dimy taona aty aorian'ny fitarihana fitokonana tamin'ny taona 2015... ♦ Nahita vaksiny fanindroany fanefitry ny Covid-19 ny orinasa mpamokatra fanafody iray any Etazonia...
Talata 17 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
♦ Hivory voalohany handinika ny fikatsoan'ny fivoriana ara-potoana eny Anosikely rahampitso ireo loholona... ♦ Tsy nisy afaka mivoaka sy miditra ao Ambatoboeny intsony nanomboka androany ireo fiara, vokatry ny fahatapahan'ny lalana... ♦ Andrasana amin'ny Alarobia izao ny tohin'ny dinika hanatsarana ny fifandraisana eo amin'i Bahreine sy ny Emirats arabo mitambatra...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco