♦ Nafohezina ho 20 andro ihany ny fotoam-pialan-tsasatry ny fitsaràna amin'ity. Hanomboka rahampitso moa izany fiatoan'ny raharaham-pitsaràna izany manerana ny nosy... ♦ Nitondra fanazavàna ny ministry ny fanabeazam-pirenena, momba ny fisian'ireo kit scolaire nisy nanary tanaty dabam-pako tao an-drenivohitra... ♦ Tsy azo amidy eny an-dalambe intsony ireo "masque chirurgicale" fampiasa amin'ny fitsaboana, hoy ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, hisy fepetra ho raisina mifandraika amin'izany...
♦ Tsy hiasa amin'ny alakamisy izao ireo Paramed miasa amin'ny hôpitalim-panjakana manerana ny nosy, ho fitakiana ny "indemnité de réquisition" nandritra ny fotoanan'ny hamehana ara-pahasalamana teo... ♦ Hanomboka amin'izao fety izao ny hetsika manokana hotanterahin'ny tafika malagasy hamerenana ny fandriam-pahalemana manerana ny nosy. Miaramila 800 efa nofanina manokana no hahetsika... ♦ Mitoka-monina tanteraka ankehitriny i Grande Bretagne, taorian'ny nahitàna ilay Coronavirus "souche" vaovao, izay mora mifindra...
Talata 22 desambra 2020 — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 46-56
♦ Efa nisy voasambotra ny fianankavian'ireo jiolahy nandoro trano tany Faratsiho. Nanolotra 4.000.000 Ariary ho valisoa omena izay mahita an'ireto jiolahy ireto ny solombavambahoakan'i Faratsiho... ♦ Tsy hisy mihitsy ny vola haloan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra eny amin'ny EPP amin'ity taom-pianarana ity, hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Miantso ny fitsarana tampony hamadika ny voka-pifidianana mba tsy hiakaran'ingahy Joe Biden amin'ny fitondrana indray ingahy Donald Trump...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco