Sabotsy 21 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21
♦ Tsy maintsy hisy ny fanaovana tatitra momba ny fitantanana ara-bola eny anivon'ny Antenimeram-pirenena, raha ny nambaran'ny Filohany, Christine Razanamahasoa, manoloana ny fitakian'ireo Solombavam-bahoaka sasany ny hisian'ny fitantanana magaraharahara eny anivon'ity andrim-panjakana ity... ♦ Mangataka ny hanafainganana ny famoahana ny didy fampiharana mikasika ny fanonerana ireo niharam-boina tamin'ireo krizy nifandimby teto Madagasikara, izay voafaritry ny lalana, ny fikambanan'ireo gadra politika na ny FEDEP, tamin'ny fanambarana nataon'izy ireo androany...
♦ Lalana sy fitaovana entin'ny pretra manamasin-tena ny fiofanana maharitra, io no nivoitra tamin'ny fihaonan'ireo tompon'andraikitry ny fanofanana maharitra ny pretra, teny Ambatoroka ny 18 sy 19 mey 2022... ♦ Nomarihana ny 18 mey 2022 ny fankalazana ny faha-42 taonan'ny Sekoly Venance Manifatra (SEVEMA), ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nivahiny nandritra ny telo andro tany Ukraine i Mgr Paul Gallagher, Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao amin'ny Fiketrahana Masina...
Tsy tratra ny tanjona napetraka tamin'ilay drafi-pirenena ho fampandrosoana ny fambolem-bary na ny SNDR, tamin'ny taona 2016-2020. Tsy mihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana eto amintsika, izay tsy mifanalavitra amin'ny tahan'ny fitombon'ny mponina, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco