Ny olona rehetra dia mitovy hasina, noho izy nohariana hitovy endrika aminy ary manahaka azy. Raha manan-kasina ny olombelona tsirairay eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy tokony hifanohitra amin'izany ny olona iray eo anatrehan'ny olombelona iray hafa. Noho ny fitovian-kasina dia tokony firahalahiana lalim-paka no misy eo amin'ny olombelona samy olombelona. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 7 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 62-79

♦ Tany Vohipeno sy Farafangana androany ny filohan'ny repoblika, nitokana fotodrafitr'asa maro... ♦ Hatrany amin'ny 80 tapitrisa dollard ny trosan'ny kaompaniam-pitanterana Air Madagascar, amin'izao fotoana izao, hoy ny ministry ny fitanterana... ♦ Olona maherin'ny 500.000 amin'izao no misehatra amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany tsy ara-dalàna, noho ny tsy namoahana fahazoan-dalana mitrandraka intsony. Toeram-pitrandrahana 120 isa eo farafahakeliny no iasan'izy ireo... ♦ Firenena voalaza ho nahafatesana olona betsaka vokatry ny valanaretina Covid-19 ny any Inde, raha ny tatitra avy amin'ny OMS...

14 taona niasana teto Madagasikara ny tetik'asa PROSPERER. Nisitraka tohana avy amin'izany ireo tantsaha, ny tanora, ny mpanao asa tanana, ny orinasa samihafa misehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra. Nifarana tanteraka ny tetik'asa nanomboka ny volana jona 2008 tamin'ny alalan'ny atrik'asa tao amin'ny Colbert Antaninarenina...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...