♦ Raha tsy misy ny fiovana dia ho fantatra anio hariva ireo mpikambana vaovao handrafitra ny governemanta... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny tale jeneraly sy ny filohan'ny filan-kevim-pitantanan'ny CNaPs, noho ny resaka fanodikodinam-bolam-panjakana sy fanararaotam-pahefana... ♦ Ho fantatra anio alina izay ho voahosotra ho andriambavilanitrda tsara endrika amam-bika eran-tany na ny Miss monde 2021. Solon-tena Malagasy amin'izany i Nellie Anjaratiana...

Ny vehivavy dia mandalina ny "8 marsa" satria zony no takiany mandritra io fotoana io. Misy anjara andraikitry ny lehilahy amin'ny fanomezana ny zo ho an'ny vehivavy. Ara-tarehimarika dia 65% ny vehivavy no iharan'ny herisetra ara-tsaina ary 85% herisetra ara-toekarena. Zon'ny vehivavy ny hamantatra ny sandan'ny fidiram-bolan'ny lehilahy. Any amin'ny laharana fahavalo amin'ny laharan'ny mpandova no misy ny vehivavy "vady" amin'ny zo maha mpandova. Ireo rehetra ireo dia santionany ka mandrisika antsika handalina ny zon'ny vehivavy sy ny 8 marsa...

♦ Mbola ao anatin'ny fakan-kevitra samihafa amin'ireo olona heveriny fa handrafitra ny governemanta ny filohan'ny repoblika, hatramin'ny androany maraina, hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta... ♦ Hanaovana fitsirihana ara-teknika sy ara-tsiantifika ireo trondro maty, hita nitsingevana tao amin'ny reniranon'i Lanirano... ♦ Hamafisina ny fanohanana ireo hetsika hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo hiarahana amin'ny FAO, PAM, FIDA...

Ny teny hoe " fampianarana momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy " dia efa nisy hatramin'ny Papa Pie XI, enti-milaza ny "antontan-tsoratra mirakitra ny fampianarana mikasika ireo loha-hevitra manan-danja eo amin'ny lafiny sôsialy (PieXI, Quadragesimo anno, 1931, n°-87).  Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...