Manentana an'ireo fanantenana eto an-tany izay miandrandra ilay "fanantenana lehibe" dia ny fiainana mandrakizay ny fitsanganan'i Kristy ho velona ary mampiditra sahady ao amin'ny ankehitriny ny tsimoky ny famonjena. Manoloana ireo fahadisoam-panantenana vokatry ny karazana nofinofy maro. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Isan’ny hatsaram-panahy angatahin’i Jesoa amintsika mpanara-dia Azy ny famindram-po; “aoka ho mpamindra fo ianareo toy ny Rainareo mpamindra fo”. Ary isan’ireo ezaka lehibe tiantsika hianana mandritra izao karemy izao izany. Fa inona ary moa ny famindram-po ary inona no ataontsika mba ho mpamindra fo koa isika? Fandinihana masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Zoma 11 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26

♦ Mitaky ny mangarahara amin'ny tomba hatao amin'ireo mpikamban'ny Governemanta ny Kmf/Cnoe... ♦ Naneho ny fahasorenany ny SECES Sampana Antananarivo, manoloana ny nandavan'ny HCC ilay tolo-dalana momba ny fizakan-tenan'ny Oniversite sy ny foibem-pikarohana nasiônaly... ♦ Hatao fitsirihana sy fanadihadiana ny rano manodidina ny toeram-pitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa QMM any Taolagnaro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...