Ny fanabeazana fototra maha-olona feno ny tanora no antoky ny taranaka sambatra. Ilaina ny fifampiresahana sy fizarana ny soatoavina mba hananany herim-po afa-manohitra ireo sakana manohintohina ny fivelarany, ary koa hananany toe-tsaina mandanjalanja ho amin'ny tsara.

♦ Mbola tsy voaporofo ny fisian'ny olona maty vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Emnati, hoy ny BNGRC... ♦ Manambana ny hihazo ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, eny Ambohidahy, ireo mpiasan'ny CTC-19, izay tsy nisitraka karama roa volana... ♦ Tovovavy iray, mpianatra hanala fanadinana bakalorea, no noroahina tamin'ny fomba tsy mazava tany amin'ny Lycée Brickaville...

Antsoin'Andriamanitra hadio ny relijiozy, noho ny fanarahan-dia an'i Kristy. Fanahafana an'i Kristy nisafidy ny hadio no antony iainan'ny relijiozy ny voadin'ny fahadiovana. Hoy ny voalaza ao amin'ny Matio 19, 12 : ary misy olona tsy manam-bady an-tsitrapo noho ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Zoma 25 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 1-12

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...