♦ Rivodoza Emnati : mampihatra ny loko mena, loza mitatao avy hatrany manomboka anio amin'ny 8 ora alina ny Faritra : Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany... ♦ Tombanana hihaontra ny roa alina sy iray hetsy ny isan'ny traboina amin'ny ho fandalovan'i Emnati, hoy ny BNGRC... ♦ Lesola mila harenina amin'ny famokarana ronono eto amintsika, ny tsy fahampian'ny vilona atao sakafon'omby, amin'ny habetsaha sy ny kalitao... 

♦ Nandefa telegrama ho fiombonam-po sy fankaherezana ny vahoaka Malagasy, ny Papa François... ♦ Atolotr'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny vavaka iombonana ho an'ny JMJ Mafa faha-10... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Filohan'ny Repoblika Zambiana, Hakainde Hichilema...

♦ Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Vatomandry sy Farafangana rahampitso tolak'andro na ny alina ny rivodoza Emnati, hamakivaky ny afovon-tany, ary hivoaka an-dranomasina amin'ny alarobia...  ♦ Hanomboka amin'ity herinandro ity avy hatrany ny fandinihana ny fametrahana ilay mpandrindram-pirenena ny tetikasa PTASO, tetikasa hampiasana vola 25 000 000 dolara, fiaraha-miasa amin'ny BAD... ♦ Mikatona efa ho roa volana izao ny CSB-II any amin'ny kaominina Maharonjy-Ankazobe. Notafihan'ny dahalo roa volana lasa izay, ity tobim-pahasalamana ity...

♦ Miombom-po amin'ny malagasy ny Papa François, mankahery ny vahoaka, ny manam-pahefana ary ny tompon'andraikitra rehetra noho ny fahavoazana vokatry ny rivodoza... ♦ Tamin'ny 5 ora maraina teo tany amin'ny 550 avaratra-atsinanan'i Toamasina no nisy ilay rivodoza Emnati, hoy ny météo,.. ♦ Malalaka amin'ny fanapahan-kevitra raisiny ny ratsa-mangaikan'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, hampiato na tsia ny fampianarana amin'ny fandalovan'ny rivodoza Emnati hoy ny ministera...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...