Zoma 14 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 1-12
♦ Mbola hitohy ny dinika amin'i Lafrantsa momba ny fitakiana ireo "Iles éparses", hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny androany. Efa mamarana ny fisivanana ireo Masoivohontsika any ivelany kosa ny Minisitera tantanany ankehitriny... ♦ Nodimandry tampoka ny Filoha Lefitry ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Pastora Velomahatombo... ♦ Voasambotra ny ramatoa mahitahita nibodo ny tanin'ny vahoaka 148 Ha, any Belambo, Disitrikan'i Toamasina Faharoa...
♦ Nigadona teny Ivato, ny maraina teo ny delegasiona notarihian'ny ministry ny fitsaràna, miaraka amin'ireo teratany malagasy roalahy voasambotra tatsy amin'ny Nosy Comores, noho ilay raharaha volamena 49kg... ♦ Anatin'ny fametrahana ny rafitra fitantanana ara-informatika ny fanaraha-maso ny omby eto Madagasikara, ka misy tetikasa hiadiana amin'ny fanadiovana omby halatra... ♦ Efa toetran'ny tsimok'aretina Covid-19 no miovaova hatrany, ka mahatonga ireo "variant" efa ho anarivony, hoy ny MinSanté. Efa mihena ny tranga vaovao eto Antananarivo, miha-miparitaka kosa ny any amin'ny faritra...
Ny fahavanonana sy ny hoe maha-olomp-pirenena dia tsy afaka misaraka. Mifameno ireo, tsy ho tomombana ny maha-olom-pirenena raha tsy ao ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco