♦ Mbola tsy nandrenesam-baovao ôfisialy ihany hatramin'izao ny momba ilay volamena 49 kilao tratra tatsy Comores... ♦ Mitaky ny fametraham-pialan'ny Minisitry ny Angovo sy ny Tale Jeneralin'ny Jirama ny Depiote Todisoa Andriamampandry, manoloana ny fahatapahan'ny herinaratra tato ho ato... ♦ Nanameloka ilay fandratrana tovovavy, tamin'ny fomba feno habibiana tany Fenoarivobe, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka...
Ilaina ny fanombanana izay vita sy niainana. Tsy tsikeran'izay miiba ihany anefa no atao hoe tombana, noho izany, mitaky toe-tsaina mahitsy sy mila fahaizana ihany koa ny fanaovana tombana mba hitarika ho amin'ny fivoarana.
♦ Nofoanana ny hetsika saika hamaranana ny fanamarihana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo, anton'izany ny zava-misy ara-pahasalamana eto Antananarivo... ♦ Nisy bolongam-bolamena 49 kg naondrana antsokosoka, tratra tatsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena atsy amin'ny nosy Comores. Misy teratany Malagasy roa voarohirohy amin'io raharaha io... ♦ Hodiovina ny lakan-drano C3, mirefy 17 km, manondraka tanimbary maro eny amin'ny lemak'i Betsimitatatra. Haharitra tapa-bolana ny asa iarahana amin'ny APIPA...
♦ Manana ny anjara toerany manokana amin'ny fizorana amin'ny Sinaody ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny kristianina samy hafa finoana, atambatry ny Batemy iray... ♦ Ny "Eglizy miara-dia" dia Eglizy miara-mandray andraikitra sy mampandray anjara ny hafa...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco