Hotanterahina any Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin'ny 4 septambra 2022 ny JMJ Mada andiany faha-10. Lohahevitra hifanentanana amin'izany ny hoe: "Mitsangana fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao" (Asa 26, 16). Fanasana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.
♦ Andro faharoa amin'ny fihaonan'ny mpikamban'ny Governemanta amin'ireo Solombavam-bahoaka eny amin'ny CCI Ivato ny anio... ♦ Miantso ireo Solombavam-bahoaka mba tena hanadihady sy hanokatra adihevitra matotra amin'ny zava-misy marina eo amin'ny tontolon'ny fampianarana ny Vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara...
Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny Finoana ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Na ny finoana kristiana, na ny finoana silamo, na ny finoana mandala ny fomba nentim-paharazana malagasy, na ny finoana hafa dia samy manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana avokoa noho izy ireo iombonan’ny olona maro. Araka izany dia afaka miara-miasa ireo antokom-pinoana maro eto Madagasikara, mitady vaha-olana maharitra sy tsara kokoa entina miaro ny tontolo iainana, mamerina ny tontolo iainana amin’ny laoniny ary entina mampalefaka kokoa ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetr’andro.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco