Alatsinainy 29 novambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11
Fiarahan-dia ny atao hoe sinaody, iantsoana ny Papa ny eveka solo-tenan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka maneran-tany, handinika sy hanolo-tsaina ny Ray masina amin'ny loha-hevitra lehibe iray ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Sinaody faha-16 no hotanterahina amin'ity 2021-2023 ity. Ny tanjona dia ny hamoahana sori-dalana iombonana sahaza ny vaninandro iainantsika fa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Fanazavana entin'i P. Faliarilala Thierry Pascal.
Indraindray isika entanim-po manoloana ny antso, misy fotoana kamo na matahotra dia mitady fialan-tsiny, indraindray sady tsy mahafoy ny rendrarendra nefa koa te hanaraka an'i Jesoa. Manoloana ireo dia lasa miroroa saina isika. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alahady 28 novambra 2021 — Alahady voalohan'ny amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 25-28. 34-36
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco