Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanontanian’ny Farisianina izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra, ka namaly hoe: "Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra, ary tsy hataon’ny olona hoe: Indro atý na arý izy; fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra." Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany: "Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona, fa tsy hahita ianareo. Hilazan’ny olona ianareo fa hoe: Indro erý, na indro etý; nefa aza mankany ianareo, na manaraka izany akory. Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray ka hatrany amin’ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona amin’ny androny. Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy sy holavin’itý taranaka itý."
♦ Mpitsara miisa efatra no miakatra fitsipi-pifehezana mandritra ny fivorian'ny Filankevitra Ambonin'ny Mpitsara na ny CSM. Ny tsy fahavitana ny asa araka ny tokony ho izy no antony, hoy ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Tsy handany na hampandany ilay tolo-dalana momba ny fampitsaharana ny vohoka, na ny ITG, haroso hodinihina eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa...
Tsy heloka ny fahafahan'ny zazarano raha tsy mifanaraka amin'ny nokendrena ny fitazomana azy, noho ny fitsaboana tsy azo ialàna, mba ho fahasalaman'ny reny. Araka ny lalàm-pitondrantena izany. Vokatra ankolaky ny asa tsy fanalan-jaza ny fahafahan'ny zaza amin'izay. Tsy azo odian-tsy fantatra na atao ambin-javatra ny fitondrana vohoka vokatry ny fanaovana an-keriny sy ny zava-tsarotra mbamin'ny antony ambadika.
Ny fananana hazon-damosina dia tsy midika ho fikatonana ao amin'ny tena. Ilaina ny fifandraisana sy fifampizarana amin'ny hafa, toy izany koa ny fahatokisan-tena. Mitaky faharetana sy fitozoana ihany koa ny fiainana koa rehefa manomboka zavatra iray dia ezahana mandrakariva ny hahatratra ny tanjona manoloana ireo sedra samihafa. Katesizy momba ny fananana hason-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco