♦ Namoy ny ainy ilay zaza 8 taona, isan'ireo sivily 6, naratra tamin'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Ambatobe, omaly tolakandro. Mandray an-tanana feno ny fikarakarana ny razana sy ireo marary mbola manaraka fitsaboana ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nanao Sit-in teo anoloan'ny fitsarana Anosy, ny fianankavian'ilay teratany sinoa antsoina hoe Kevin Yang, maty noho ny lozam-pifamoivoizana tetsy Mandrosoa ny 23 septambra lasa teo... ♦ Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana faharoan'ireo parlemantera eto Madagasikara...
Sarotra ary mila finiavana ny fanehoana harem-panahy ankehitriny noho ny rivom-pandrosoana. Mifaninana loatra izao tontolo izao, misarika ny olona hanadino ny fanahy anefa ireny rehetra ireny. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 19 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 35-38
♦ Tsy tana ny ain'ilay zaza valo taona, iray tamin'ireo sivily enina naratra tamin'ny lozam-pifamoivoizana teny Ambatobe... ♦ Efa tomombana ny fandraisana ny fivoriana ara-potoan'ireo Solombavam-bahoaka, izay hanomboka rahampitso... ♦ Tsy ahitana henan'omby any amin'ny tsenan'i Mananjary, efa ho efatra andro izao...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco