♦ Mivory ao Sambava mandinika ny olana mampikatso ny sehatry ny lavanila amin'izao fotoana izao ny vondrona iarahan'ireo mpisehatra rehetra "GPAS"... ♦ Ny hevitry ny fiaraha-monim-pirenena manoloana ny fifidianana izay ho solontenany ao amin'ny CENI... ♦ Efa ho efatra taona no tsy nisitraka ny tambikaramany ireo mpampianatra mpikaroka efa nisotro ronono kanefa mbola manohy ny asa...
Izay tsara fiomanana tsy ho tampohin'ny loza : fantaro ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro eo amin'ny fahasalamana. Mihamafy ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro amin'izao vanim-potoana iainantsika izao amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Misy ireo fepetra noraisina tsara ho fantatry ny rehetra hitandrovana ny tontolo iainana sy hampihenana ny aretina sy ny fahavoazana ara-pahasalamana vokatra ny fahasimban'ny tontolo iainana.
♦ Tapaka ny lalana manodidina an'i Mahamasina anio noho ny famindràna fibaikoana ataon'ny Zandarimariam-pirenena eny an-toerana... ♦ Ho tanterahana anio Zoma ny Copries izay hamaritana ny daty fidirana eny anivon'ny Oniversitem-panjakàna, nisy ny soso-kevitra naroson'ny SECES... ♦ Miantso ny filohan'ny repoblika mba handray fepetra manoloana ny resabe amin'ny mpikamban'ny governemanta ny HCDDED...
Naheno ny antson'Andriamanitra i Masina Maria ary namaly izy. Tsy nahafantatra ny maha "tsy azo-keloka" azy Masina Mari, raha tsy tamin'ny filazàn'ny Anjely. Ny nanombohan'ny Anjely ny resaka nifanaovany tamin'i Masina Maria dia ny "Fiarahabana" mendrika ny olo-manankaja. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco