♦ Mandrahona hitokona ireo mpiasan'ny CTC eto Antananarivo. Manome 48 ora nanomboka omaly izy ireo, handoavana ny tambin-karama 3 volana tsy voaloa... ♦ Manaitra ny rehetra ny KMF/Cnoe fa mbola ao anatin'ny ady amin'ny Covid-19 isika. Tokony hifanaraka amin'ny kabary sy ny fepetra lazaina ny fandraisana andraikitra... ♦ Nandefa taratasy misokatra any amin'ny filoham-pirenena ny fikambanana nasiônalin'ny tantsaha eto Madagasikara ho tohin'ny tsy faneken'izy ireo ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany... 

♦ Nitrangàna lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona indray tany amin'ny Lalam-pirenena voalohany tany Miarinarivo omaly maraina : olona 4 no maty 7 naratra... ♦ Mbola mitohy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny paositra malagasy. Milaza ny vonona hihaona amin'ny Ministra tompon'andraikitra izy ireo... ♦ Ho foanana tsikelikely ny fampiasàna mercure amin'ny fitrandrahana volamena eto Madagasikara, noho ny voka-dratsy ara-pahasalamana sy tontolo iainana aterak'izany... 

Ny fanahy dia ilay fahaiza-miaina sy toetra tsara ananana. Efatra ireo hatsaram-panahy fototra dia ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onona. Manana ny maha izy azy ny olona rehefa tomady sy mahira-tsaina, mahery fo sy tsara fanahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.

Talata 13 jolay 2021 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 20-24

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...