♦ Notsofin-drano androany ny lalana Papa Joany Paoly Faharoa, tamin'ny alalan'ny fanavaozana ilay tsangambato fahatsiarovana ny fandalovan'ny Papa Joany Paoly Faharoa teto Madagasikara... ♦ Iray tsy mivaky ny mpitandro ny filaminana ary tena misy ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa fa tsy araka ny fanehoan-kevitra diso iniana voizina ankehitriny, hoy ny lehiben'ny EMMONAT...
Iharan'ny "ramatahora" avy amin'ny Governoran'ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny Radio Rakama Vohipeno, noho ny vaovao navoaka izay nambarany fa manimbazimba sy manevateva azy. Manohintohina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izany, hoy ny ekipan'ny Radio Rakama, ka tsy azo ekena...
Mitohy hatrany, mandram-pahitan'ny fanjakana vahaolana amin'ny fitakiana, ny fitokonan'ireo Paramed manerana ny nosy. Teny amin'ny tokotanin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izy ireo omaly no nitokona rehefa tsy tafiditra teny amin'ny HJRA, ny alatsinainy lasa teo...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco