160 taona izay no nankatoavan'ny Printsy Rakoto (Radama II) fa afaka mitory ny Vaovao Mahafaly ankahalalahana ireo misionera katolika teto Antananarivo. Taorian'ny nahafatesan'ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ny 16 aogositra 1861, izay nanenjika fatratra ny kristianina dia tonga teto Imerina i P. Hubert ny 23 septambra 1861.

Ny fitantanana sy fanomezana lanja ny fako: ireo fomba mahomby azo ampiharina amin'ny fiainana andavanandro. Maro ireo fanamby atrehintsika manoloana ny fiarovana ny tontolo iainana ankehitriny. Anisan'ny vahaolana azo atao anefa ny fitantanana ny fako mba hahazoana tontolo madio sy azo iainana kokoa. Mitondra vokatsoa maro izany ho an'ny fiaraha-monina sy ny fahasalamana... 

Ho entitra ny fitandroana ny filaminana eto Antananarivo sy ny manodidina rahampitso, ka hampitomboina ireo mpitandro ny filaminana eny an-dalambe hisorohana izay mety ho endrika fanakorontanana na fanararaotana na fandikan-dalana, hoy ny OMC Analamanga...

Zoma 5 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 14-29

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...