♦ Efa any an-dranomasina no nisy ny foiben'ilay rivodoza Eloïse. Namela takaitra teo amin'ny faritra telo teto amintsika anefa izy, araka ny tatitra navoakan'ny BNGRC omaly... ♦ Niteraka tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy mpampita vaovao ny fahazoana ny karatra maha mpanao gazety. Nanamafy ny vaomiera mikarakara izany fa ny tena mpanao gazety no hahazo karatra amin'ity indray mitoraka ity...

Alakamisy 21 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12

♦ Hiverina hivoaka any an-dranomasina anio alina na rahampitso maraina, any amin'ny faritry ny morontsirak'i Melaky ny rivodoza Eloïse. Ana'arivony ireo tra-boina naterak'izany.... ♦ Tsy afaka ny hangina intsony isika hoy ny Governoran'ny Faritra Analamanga fa be loatra ny lainga afafin'ny mpanohitra ka tsy maintsy arovantsika ny fitondrana sy ny ezaka maro efa ataony hampandrosoana an'i Madagasikara...

♦ Nihena be ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Mampikony no nisy ny ivony tamin'ny 9 ora maraina teo. Tombanana hivoaka an-dranomasina any Melaky izy rahampitso... ♦ Miandrandra fitoniana maharitra eto amin'ny firenena amin'izao fanombohan'ny fotoam-piasan'ny Antenimerandoholona izao ny Filoha lefitry ny CFM avy any Fianarantsoa...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...