Tonga tao amin'ny tanjona niriany i Samoela naman'izy mianadahy. Satria tojo ny olona azony itangosana vola aman-karena tsy misy tambiny. Ny nangalatra aza efa nataony. Niray tsikombakomba tamin'izy mianadahy tamin'izany i Samoela. Sady mbola nampirafy an'i Rose ihany koa tetsy an-danin'izany.

Vonona ary sahy hanova ny tantara i Pita tamin'ny nanambadiany an'i Tsaraby olona kambana, na dia fady sy tsy azo atao velively any amin'ny faritra misy azy ireo aza izany. Izay mamindra tendrombohitra tokoa, dia izay manomboka manala ireo vato madinika ; ary izay mandeha hatrany amin'ny fara takatry ny fony, dia mahalala ny toetra maha olona azy ; ary izay mahalala ny toetra maha olona azy dia mahalala ny lanitra.

Tapa-kevitra ny hanampy indray an'i Tsinjo sy i Vania amin'ny fanabeazana azy ireo, sy hanampy ny ray aman-drenin'izy ireo amin'ny fivelomana i Rose, na dia efa nanao izany aza izy teo aloha saingy tsy nisy vokany tamin'izy ireo. Nampianariny any an-tsekoly indray izy mianadahy. Nampitady tovolahy azy mianadahy mba hifankatia aminy i Rose, ary hafa kely ny tanjona tiany hotratrarina tao anatin'izany.

Azo antoka fa nitondra rivo-baovao nitsoka teo amin'ny fiaraha-monina Antambahoaka ny tantara nosoratan'i Line Bordas tamin'ny fandalovany teto Madagasikara, tany Mananjary, tany nahalatsahan'ny tavoniny, na dia tsy nahazoany fahafaham-po zato isan-jato aza. Tsangambato velona hanaporofo ny tantara ny fanambadian'i Pita sy Tsaraby, ary hamela lova ho an'ny taranaka faramandimby, hanoratra ny tantaran'ny foko Antambahoaka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...