Fotoana maha somebiseby ny iray tanàna no iantombohan’ny tantara. Hiantrano ao amin’ny fianakavian’i Sahondra ny fianakavian’i Setra, haka vady azy. Zanak’olona mpanan-karena i Setra, i Sahondra kosa dia eo ho eo ihany, tsy ambony tsy ambany raha ny fananana no jerena. Karazana vady amboarina ihany ny azy roa, ka ny ray aman-dreny roa tonta no nifanaraka mba hampivady ireto tanora roa ireto.

Tratran'i Rose ny tanjona : nihena tamin'ny hatavezany izy. Fitia sarintsariny fotsiny no niainany sy niaretany nandritra ny iray taona maninjitra, tamin'ny fiarahana tamin'i Samoela. Tezitra noho izany i Samoela rehefa nahafantatra fa hoe natao tohatra fiakarana fotsiny. Tsinjo sy Vania koa niova lasa hendry. Ary tanteraka ihany koa ny fanirian'i Bertin hatramin'izay, dia ny hanambady an'i Rose.

Miferin'aina ny amin'i Samoela manontolo i Rose. Mamo toaka lava, mikasi-tanana mihitsy aza, ary dia niha nahia mihitsy i Rose vokatr'izany ; saingy nahafaly tanteraka azy izany satria tratrany ny tanjona nokendreny : nihena ny habeny.

Niova i Rose. Nivadika ny rasa. Natsimbadiny tao anatin'ny fotoana tsy nampoizina ny tantara. Tsy manaiky ihany koa i Tsinjo sy i Vania ary nandrahona an'i Samoela fa rehefa tsy mizara vola amin'izy ireo isak'izay mahazo vola avy any amin'i Rose i Samoela, dia hoborahany amin'i Rose ny tena marina momba azy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...