Notratrarin'i Bertin sy Rose teny amin'ny toerana nahitan'i Dr Bertin azy i Tsinjo sy Vania fa tsy tratrany. Fantatr'i Rose ny tena zava-misy marina momba azy mianadahy. Tsy nahomby ny fampiasam-batana hanenan-tena nataon'i Rose. Maminavina ny hiova zavatra atao izy hanatrarany ny tanjony.

Afaka hifanerasera i Noro sy i Tsaraby manomboka eto, na dia mbola eo aza ny sisa navelan'ny tantara tsy hay hadinoina nolalovan'izy ireo. Fifaneraserana inoana fa hampitohy vakana ny fifandraisan'i Line Bordas sy i Tsaraby, na dia an-taratasy monja ihany aza.

Niverina nipetraka tao amin'i Samoela namany indray i Tsinjo sy i Vania, ary dia nanohy ny filan-dratsy isan-karazany. Tratran'i dokotera Bertin izy ireo ka nalazany tamin'i Rose. Nampanantsoin'i Rose hankany aminy izy ireo.

Kivy tanteraka amin'ny ezaka ampanaovin'i dokotera Bertin azy i Rose, nefa te hampihena vatana. Voaroaka avy any ambanivohitra i Tsinjo sy Vania fa zaza maditra hoy ireo ray aman-dreniny. Nahazo volabe tany amin'i Rose indray izy mianadahy saingy sahiran-tsaina mafy ny amin'izay hoataon'izy ireo indray manomboka eto.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...