Lasan'ny polisy i Sedra naman-dry Ravaka fa tratra nivarotra rongony. Noraràn'i Dina i Ravaka tsy hiaraka amin'i Sanda intsony. Norahonan'i Sanda nefa i Dina sy Ravaka fa hovonoiny i Ravaka sy izay sahy miaraka aminy ankoatra azy.

Roso ho any Ambinany izy efatra mianadahy : Noro sy Tody ary Line Bordas sy Pita. I Pita no tompon'ny tantara ampitaina amin'ireto mpizaha tany sambany vao niatrika ny sambatra aty Mananjary.

Tovolahy milomano tanteraka ao anatin'ny fahalotoana isan-karazany i Sanda olon-tian'i Ravaka, ary dia izy tanteraka no masimandidy amin'izay rehetra ataon-dRavaka.

Tamin'i Line Bordas dia tsy naha lehibe ny fotoana famaranana ny sambatra azy ny andro diaviny, efa nialohavan'ny alina manontolo nanakotsany ny ondany mandra-maraina, tamin'ny ranomaso latsaka. Na izany aza tonga teny Ankadirano ihany izy sy Noro.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...