Ny mitantana firenena dia fandraisan'anjara ; ny kara-panondrom-pirenena dia midika fananana andraikitra sy adidy amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ny fanantenana amin'ny mety ho fandrosoan'i Madagasikara dia miainga amin'ny tsirairay, ialàna lavitra ireo toerana sy fomba mamotika ny firenena toy ny fandrobana vola sy ny harena maro samihafa. Ny toe-tsaina dia singa iorenan'ny fomba amam-panao mitondra amin'ny fahavonona. Sotoavina tsara tazomina : fifanajàna, fahamarinana, fifampitokisana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Miorom-paka : rehefa mahazo faka ny voa iray dia mivoatra tsikelikely ny fitomboany ary tonga ho hazo lehibe ary isika olombelona dia toa izany ; ny singa rehetra azo eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka fandrosoana ho an'ny olona iray, amin'ny lafiny ara-batana, ara-panahy. Ny fisokafana amin'ny fiaraha-monina amin'ny lafin-javatra hafa dia lalana iray hizorana amin'ny fandrosoana, afaka mandray sy afaka mizara fahalalana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Niditra an-tsehatra namaha ny olan'ireo mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa, Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nifampitsapa hery teny Analakely androany, ireo mpomba sy mpanohitra ny fanesorana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa... • Niroso amin'ny famahana ny olan'ny angovo eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny fitondram-panjakana...
Rainandriamampandry dia olomangam-pirenena tena tia tanindrazana. Rabezandriny no tena anarany fa amin'ny fiaraha-monina anefa dia matetika takona ao ambadiky ny anaran-janaka ny anaran'ny ray, izy moa nanana zanaka natao hoe Andriamampandry raha teo. Rainandriamampandry dia evanjelistra, mpampianatra, mpahay tantara sy jeografia ary mpikaroka momba ny teny sy ny kolontsaina. Ity olomangam-pirenena ity dia efa governora tao Toamasina, izay vavahadin'i Madagasikara sy renivohitra diplômatika, mpitaritafika nampihaiky ny fahavalo izy, ary efa niandraikitra ny asan'ny ministry ny atitany...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco