• Nandamoka ny fikasan'ny vehivavy Sinoa iray, saika hanondrana an-tsokosoko volamena, tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Nasisika tamin'ny vatany ny volamena manodidina ny 2 kg, saingy tra-tehaka rehefa nandalo teo amin'ny “Bodyscan”... • Tonga ao an-tampon-tananan'Ambovombe ny rano fisotro madio. Manodidina ny 33.500 isa ireo mponina afaka misitraka izany. Mbola mitoetra ho olana, etsy ankilany, ny jiro any an-toerana… • Niharatsy ny kalitaon'ny rivotra eto Antananarivo satria tafakatra avo enina heny, raha oharina amin'ny fenitra nasionaly izany, ka mety hitarika aretina ho an'ny olon-drehetra…
• Hamoaka vola taratasy vaovao ny Fanjakana. Nilaza ny Banky Foiben'i Madagasikara fa tsy misy ifandraisany amin'ny fakan-kevitra faobe ny momba ny ho avin'ny vola malagasy... • Vinavinaina hiakatra 5,1 % ny fitomboan'ny harinkarena faoben'ny firenena amin'ny taona ho avy, araka ny voarakitry ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2027... • Ahiana hiteraka fifandonana ny fitrandrahan'ireo teratany Sinoa volamena any amin'ny Distrikan'i Tsaratanana. Miantso ny Fanjakana handray andraikitra, dieny izao, ny solontenan'ny mponina any an-toerana...
♦ Mitsipaka marindrano ny fisian'ny fivoriana nikonokononana fanonganam-panjakana teny Ankaditapaka-Ankadifotsy ny Jeneraly misotro ronono Razakarimanana Ferdinand. Sao dia fikasana hanakana ny fahalalahana maneho hevitra izao zava-misy izao hoy izy... ♦ Manentana ny olom-pirenena hanana fasahiana handà sy hanohitra ny kolikoly ary hijoro amin'ny fahamarinana ny FJKM. Mifanohana sy miray fo amin'ny sekoly tsy miankina ny sekoly FJKM, momba ny rafi-panabeazana... ♦ Nipaka eny amin'ny vahoaka ny fanohanana nataon'ny fikambanana Money for Madagascar nandritry ny 40 taona niasany...
♦ Hihaona amin'ny tompon'andraikitry ny fampianarana tsy miankina indray ny ao amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena hidinika ny fomba hanatsaràna ny rafitra sy ny fanomanana ny fanadinana amin'ity taona ity. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny taom-panabeazana vaovao ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hiakatra fitsaràna tsy ho ela ireo voakasika tamin'ilay raharaha namoahana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna teratany sinoa miisa 11... ♦ Mitsipaka marindrano ny filazan'ny mpanolontsaina teknikan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny antoko KINTANA ; filazana fa isan'ireo mikasa hanongam-panjakana Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco