♦ Mivelatra amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny raharaham-pirenena ilay dinika tanterahina eny Iavoloha fa tsy nijanona tamin'ny resaka fifidianana fotsiny. Ho tapitra anio izany dinika izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Manomboka miarin-doha ankehitriny ny orinasam-panjakàna Fanalamanga. Efa mandeha avokoa ireo milina maty teo aloha. Mikasa ny hanondrana vokatra voahodina ny orinasa, atsy ho atsy... ♦ Karohina indray ankehitriny i Eddy Bois de Rose. Namoahan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana filazàna fikarohana noho ny raharaha fanondrànana sokatra ity mpandraharaha malagasy ity...

♦ Manaitra ny filohan'ny Fanavaozana ka nandefa taratasy faharoa any aminy ny vondrona firaisamonim-pirenena OSCEC. Tandindomin-doza ny firenena manoloana ny fahapotehan'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, hoy izy ireo... ♦ Samy efa mihetsiketsika avokoa ireo antoko pôlitika samihafa miatrika ny raharaham-pirenena, eo ny momba ny fifidianana, ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Mbola miaina fahatapahan-jiro lavareny foana ny mpampiasa herinaratry ny JIRAMA eto Antananarivo. Tsy tomombana ny milina famokarana, na ny mandeha solika, na ny azo avy amin'ny fikorianan'ny rano...

♦ Efa hita miomankomana amin'ny ho tohin'ny raharaham-pirenena indrindra ny fiatrehana ny fifidianana ny ankamaroan'ireo antoko pôlitika... ♦ Olana mbola mitoetra eny amin'ny fiaraha-monina ny tsy fampiharana ny didim-pitsarana raikitra. Tandindomin-doza koa ny firenena manoloana ny tsy fahampiharana ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara... ♦ Misy ny fampitandremana noho ny alondrano araka ny fampitam-baovao avy amin'ny météo Malagasy... ♦ Namoaka fanambarana i Rosia androany fa hakatona ny consulat allemand any Saint-Pétersbourg...

♦ Nahazo PDS vaovao ny tanàna an'i Toliara rehefa tsy nisy Ben'ny Tanàna nitantana intsony, tato anatin'ny volana vitsivitsy... ♦ Mbola hitohy amin'izao fiandohan'ny herinandro izao ilay dinika fakàn-kevitra hanomànana ny fifidianana eny Iavoloha. Hitondra ny heviny indray ireo ray aman-dreny ara-drazana sy ireo filoham-pirenena teo aloha... ♦ Tena nisy ilay marary maty tampoka teo am-pandidiana azy tao amin'ny Hôpitaliben'i Manakara noho ny fahatapahan'ny herinaratra... ♦ Trano lehibe iray nisy rihana maromaro indray no nirodana tany New Delhi, renivohitr'i Inde, omaly. Olona maro no voatsindrin'ny korontana...

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...