♦ Misy mpanakorontana manakana ny fanavaozana eto amin'ny Firenena izao hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena nandritry ny laha-teny fanokafana ny fivorian'ity andrim-panjakàna ity ny antoandro teo... ♦ Fahendrena ny mametra-pialàna ho an'ireo voakasiky ny famoahana voafonja Sinoa 11 isa, hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Nambarany fa manaporofo ny fisian'ny kolikoly avo lenta eto amin'ny Firenena ireny tranga ireny... ♦ Olona 256 no namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto Madagasikara nanomboka ny volana janoary no mankaty. Hatsangana ny "Task Force" ...
♦ Mbola lavitra amin'ny tanjona napetraka no vita amin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana hoy ny avy amin'ny SAFIDY... ♦ Azo atao any amin'ireo renivohi-paritany dimy hafa manomboka izao ny fangatahana fanamboarana Passeport. Tsy miova ny dingana rehetra arahina, hoy ny fanazavana nentin'ny tompon'andraikitra... ♦ Ahiana ho nisy nikasa hanodina ny gazoala 1.400 litatra hampandehanana ireo milina mpamokatra herinaratra ao Antsiranana ; saron'ny mpitandro ny filaminana ireo solika ireo... ♦ Nampiharina tao Paris ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina hatramin'ny 6 ora maraina, manoloana ny fandrobàna faobe any...
• Miteraka resabe, hoy ny SAFIDY, ny filazan'ny Filohan'ny CENI, fa hisy indray ny fivoriana hiadiana hevitra momba ireo hevitra naroson'ny ankolafin-kery samihafa eto amin'ny firenena, nandritra ny fihaonana tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika... • Nitarina any amin'ireo Faritany dimy hafa, ankoatra an'Antananarivo, ny fangatahana pasipaoro mba ho fanamorana sy fanafainganana ny fikarakarana izany... • Angom-potaka mbola hatrany amin'ny 20.000 m3 no mbola holoarana ao anatin'ny farihin'i Behoririka, raha ny tatitra avy amin'ny Kaominina Antananarivo...
♦ Hisy tsy ho ela ny dinika hahafahana mamaritra ny karazam-pifidianana hotanterahina voalohany eto Madagasikara amin'ny taona ho avy, hoy ny filohan'ny CENI Thierry Rakotonarivo... ♦ Nodoran'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifàna teny Masindray ireo entana lany daty tratra teto Antananarivo sy ny manodidina, nanomboka ny volana mey... ♦ Mijanona ao amin'ny sokajy faharoa (Tier 2) i Madagasikara, araka ny Tatitra momba ny famarinana olombelona... ♦ Niaiky ny fisian'ny lesoka tsy azo lavina avy amin'ny fitondrana, manoloana ireo herisetra sy korontana mitranga any Frantsa ankehitriny, ny minisitry ny fitsaràna frantsay...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco