♦ Namory vahoaka teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina ny fikambanana Ambalambahoaka nanamarihana ny datin'ny 14 oktobra. Nanambara ny mpitarika fa natao tohatra fiakarana izy ireo teo aloha ka tokony hohenoin'ny fitondrana amin'izay ny feony... ♦ Mitaky ny hananganana ny rafitra Fokonolona ny vovonana ho an'ny femerenan-kasina ny Fokonolona (VFKF) sy ny Hetsika Kristianina ho an'ny Fampiraisana ny Firenena (HFKF)... ♦ Mitaky ny hamerenana ny tany 665 Ha amin'izy ireo ny Fikamban'ny Tantsaha Faharetana (FITAFA) ao Morarano Arivonimamo. Nihaona tamin'ny Ben'ny Tanàna izy ireo nitaky ny zony...

• Hoentina amintsika ny akon'ireo hetsika samihafa nentina nanamarika ny datin'ny 14 ôktôbra, nijoroan'ny Repoblika Malagasy... • Nanatanteraka hetsika manoloana ny olana ara-tany ny Fikambanan'ny Tantsaha Faharetana, na FITAFA, ao Morarano Arivonimamo... • Manana fahaiza-manao tsy azo tsinontsinoavina amin'ny fikarohana ataony ny tantsaha mpamokatra, rehefa omena azy ny fahafaha-manao momba izany. Nivoitra izany nandritra ny dingana famaranana tamin'ny fifaninanana TSINJORANO, natao teny amin'ny CFAMMA Nanisana...

♦ Nosokafana tamin'ny alalan'ny matso nataon'ny foloalindahy ny fankalazana ny faha-68 taona nijoroan'ny Repoblika Voalohany, hotohizana amin'ny fametrahana fehezam-boninkazo eny amin'ny tsangambato fahatsiarovana sy ny fitsidihana ny tranon'ny filoha teo aloha Philibert Tsiranana izany... ♦ Distrika telo no nahitana tranga voamarina ny aretina pesta dia ny ao Ankazobe, Anjozorobe ary Ambohimahasoa hoy ny fampitam-baovaon'ny MinSan... ♦ Sazy an-tranomaizina 4 taona miampy lamandy 20 tapitrisa ariary sy onitra 1 miliara ariary no nomen'ny Fitsaràna an'i Tahina Bonheur et Loyauté, noho ny fanevatevana olom-panjakàna...

♦ 14 oktobra 1958 : Feno 68 taona anio ny nitsanganan'ny Repoblika Voalohany, any Antsohihy, Faritra Sofia no ivon'ny fankalazana... ♦ Vokatry ny loto no nahatonga ilay fahapoizinana nahazo ireo tanora mpiasa tamin'ny orinasa KONECTA teny Alarobia sy Ambohimangakely araka ny valin'ny fitiliana natao... ♦ Namoahan'ny Fitsaràna didy fikarohana (Avis de recherche) ireo teratany Sinoa miisa 11 tafavoaka antsokosoko teny amin'ny Fonjan'Avaradrano... ♦ Nanao fanambaràna ny handefa hiraka hivondronan'ny sivily sy miaramila hanamafy ny fahaiza-manaon'ireo tafika Libanaises ny vondrona Eoropeanina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...