♦ Nihaona tamin'ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé ny mpiandraiki-draharaha ao amin'ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toe-karena i Etazonia... ♦ Nanamafy ny sendika ivondronan'ny kaomiseran'ny varotra sy ny fifaninana fa natao handrindràna ny tsena anatiny ny fanafarana vary, ary misy ny arofanina amin'ny fanafarana vary gaboraraka... ♦ Mitaky ny hanomezan-danja ny vondron'olona mivoy sy efa mampihatra ny rafitra Fokonolona amin'ny fikaonandoham-pirenena ny antoko Fy-M...

♦ Hamafisina ny fifandraisana ara-barotra eo amin'i Madagasikara amin'i Etazonia. Nivoatra izany nandritry ny fihaonan'ny mpiandraiki-draharaha eo anivon'ny masoivohon'i Etazonia eto Madagasikara sy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé... ♦ Nametraka fanamby ny hampiakatra hatrany amin'ny 40% ny tahan'ny vehivavy misehatra amin'ny pôlitika, sy ny fitantanana ny Firenena ny filoha vaovaon'ny vovonan'ny vehivavy misehatra amin'ny politika aty amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Voarakitra anaty bokibe iray, ireo antonta-kevitry ny voka-pikarohana momba ny Antrôpôlojia...

♦ Ho fampandraisana anjara ny rehetra amin'ny fifidianana, ny hizoran'izany anaty mangarahara ary eken'ny rehetra no isany tanjona anatin'ilay dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana karakarain'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Hanomana hetsika sendikaly goavana hijerena ireo olan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakàna toy ny SECREN, ny ACM ary Air Madagascar sy ho fanamarihana ny faha-9 taona nijoroany ny Randrana Sendikaly... ♦ Mahatsiaro ho voafitaka sy nivadihan'ny minisiteran'ny fitanterana ireo kôperativa miasa eny amin'ny toby fiantsonana Fasan'ny karàna noho ilay fe-potoana 15 andro, hialana eny an-toerana...

♦ Miampy iray indray ny karazam-bary vaovao azon'ny tantsaha Malagasy vokarina dia ny " Besalohy" izay niarahan'ny FOFIFA sy ny Foibem-pikarohana Japoney momba ny siansa mahakasika ny Fambolena JIRCAS, namolavola... ♦ Nosazian'ny Fitsaràna sazy anterivozona 10 taona an-tranomaizina nandritry ny fotoam-pitsarana notanterahina omaly talata ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Mpisandoka laharam-boninahitra fa tsy jeneraly no tompon'antoka tamin'ilay fiara ana manamboninahitra tra-tehaka nitondra rongony tany Betroka ny 30 aogositra teo hoy ny fampitam-baovao nataon'ny Ministeran'ny Foloalindahy Malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...