♦ Nosavaina omaly hariva ny trano fonenan'Andriamatoa Naina Andriantsitohaina noho ny raharaha findraman'ny SMDG vola 11 miliara tao amin'ny CNaPs, nandritra ny maha-ben'ny tanàna an'Antananarivo azy... ♦ Tsy misy antony mazava tokony hanalàna ny ben'ny tanànan'Antananarivo amin'ny toerany hoy ny Ilo-Mada. Milaza ho manohana azy, hamita ny fe-potoam-piasàny ity antoko ity... ♦ Mitaky ny hanatsaràna ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsôsialy mpiasa ny Fisemare amin'izao fanovàna izao. Tafiditra anatin'izany ny fampiakarana ny latsak'emboka hitombon'ny vola raisina amin'ny fisotron-dronono...
♦ Vita ny fandikan-teny vaovao ny Baikoly Masina Katôlika. Natolotra sy nampahafantarina omaly teny Antanimena izany Baiboly vaovao izany, izay niavaka tamin'ny natonta hatramin'izay... ♦ Hanangona porofo fiampangàna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga ny Fanjakàna Malagasy, manoloana ny raharaha hanenjehana azy atsy Maorisy. Nanazava ny momba izay ny ministry ny fitsaràna ny sabotsy teo... ♦ Mpandraharaha teratany vahiny roa no voasambotra niaraka tamina vola 2 miliara Ariary, saika entina hanongànana sy hamonoana ny filoham-panjakàna. Naharitra ora 12 ny fisavàna, nahatrarana ireo olona sy volabe ireo...
♦ Efa nampidirina ao amin'ny teti-bolam-panjakàna lasitra 2026 (LI-2026) ny hetahetan'ny vahoakaa sy ny sehatra tsy miankina, mifanaraka amin'ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Hiverina amin'ny laoniny ny fampianarana amin'ireo sekolim-panjakàna manomboka amin'ny alatsinainy 10 novambra 2025 izao ary tsy maintsy ho vita ara-potoana ny fandaharam-pianarana... ♦ Ezahina hampidirina anatin'izao fivoriana ara-potoan'ny antenimiera izao ny volavolan-dalàna momba ny fisitrahana zo hahazo antontam-baovao sy vaovao eny anivon'ireo sampandraharaham-panjakàna...
♦ Niverina teny anivon'ny hôpitaly indray fotoana fohy taorian'ny nampidirana azy am-ponja tao Maorisy ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga... ♦ Homena hipetrahan'ny mpianatry ny oniversite ireo Building mora etsy amin'ny Lac-Iarivo, mpianatra 700 any aho an'ny no honina amin'ireo foto-drafitr'asa ireo... ♦ Niroso tamin'ny fandatsahana orana artifisialy nanomboka omaly ary aharitra telo andro ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo hampiakarana ny tahan'ny haavon'ny rano ao Andekaleka... ♦ Miaina tsy fahatomombanana maro ireo toeram-pianarana any Haïti amini'izao fotoana izao...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco