• Andrasana anio, aorian'ny fihaonana amin'ny Minisitera tompon'andraikitra, ny fapahan-kevitry ny sekoly tsy miankina manoloana ny fandaharam-pibeazana vaovao... • Hentitra ny Minisiteran'ny Fitaterana nilaza fa manana hatramin'ny alarobia izao, hifindrana eny Amoronakona ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny Karana... • Ady seza sy tombon-tsoa no tena mahamaika ireo mpanao politika nitondra soson-kevitra teny Iavoloha, fa tsy ny fanavaozana ny firenena notakiana teny an-kianja, hoy ny Diovy i Madagasikara Antsakaviro...
• Nokasaina hodorana ny fonjan'i Tsiafahy, ahafahan'ny Kolonely Patrick mitsoaka. Namoaka porofo ny fisian'izany tamin'ny horonan-tsary ny Minisiteran'ny Fitsarana androany... • Niova hevitra ny fanjakana momba ny toby fiantsonana Fasan'ny Karana. Tsy maintsy mifindra eny Amoronakona avokoa ireo fiara mpitatitra rehetra miasa eny an-toerana, hoy ny Minisitry ny Ftaterana androany... • Nampiato ny hetsika fanairana androany, ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar nanao fihetsiketsehana, manohitra ny fanenjehana azy ireo eny amin'ny Bianco...
♦ Hitohy anio alakamisy 10 septambra ny raharaham-pitsarana fangatahana fahafahana vonjimaika ao amin'ny fitsarana Bail And Remand Court an'ilay mpandraharaha Ravatomanga Mamy, atsy Maurice... ♦ Nahitam-bokany ny andro voalohany tamin'ny fandatsahana orana artifisialy tany Andekaleka hampiakarana ny tahan'ny famokarana herinaratra ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo nataon'ny Orinasa JIRAMA... ♦ Mihenjan-droa ny tady eo amin'ny tale jeneralin'ny Aviation Civile de Madagasikara sy ireo mpiasa, niroso tamin'ny fitokonana fanairana arak'izany ny sendikan'ny mpiasa...
♦ Anatin'ny dian'ny Kôlônely Randrianirina Michaël any Paris ny firesahana ny tetik'asa Volobe sy ny fiatrehana ny fifidianana, mandritry ny fihaonany amin'ny filoha Frantsay sy ireo tompon'andraikitra avy amin'ny vondrona Eoropeanina... ♦ Foana manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity ny sokajy A1, A2 sy ny Sokajy C sy D ho an'ireo hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea, mihatra arak'izany ny sokajy L sy S ary ny O.S.E hoy ny Ministera... ♦ Tafakatra 4 irao olona namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny tonelina Ambohidahy ny talata tolak'andro teo, niampy vehivavy roa ireo tsy nahatohitra ny ratra nahazo azy...
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco