♦ Miankina amin'ny fivoaran'ny fikaonan-doham-pirenena no afahan'ny CENI manolotra soso-kevitra ho an'ny tetiandrom-pifidianana hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Atao andrimaso eny anivon'ny birao mahaleontena miady amin'ny kolikoly (BIANCO) taorian'ny naha voasambotra azy tany Toamasina Ramatoa Rinah Rakotomanga... ♦ Miroso amin'ny fandiovana ireo lakan-drano ao Antananarivo renivohitra mandritra ny 20 andro, hisorohana ny fiakaran'ny rano ny  APIPA... ♦ Hitsidika ny Oniversite Paontifikalin'i Latran, amin'ny zoma ho avy izao, i Papa Léon-XIV...

♦ Maty antoka hatrany amin'ny 20 miliara Ariary ny Orinasa JIRAMA mandritra ny hetsika sôsialy sy ny fanakatonana ankeriny ny masoivoho ataon'ny mpiasa hoy ny Ministry ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Tsy afa-miala amin'ireo mpamatsy vola mahazatra isika noho izy ireo mamatsy ny fandaharan'asa anatin'ny FEC sy ny FRD hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Nitombo ny herisetra sy ny fandrahonana amin'ny tompon-tany ara-dalàna ao amin'ny Distrikan'Ambatondrazaka nanomboka ny taona 2023, manjaka any an-toerana ny fibodoana tany ataonà andian'olona...

• Miandry ny valin'ny fitsirihana atao, ny mety hanesorana na tsia ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA, ary tsy maintsy hirosoana ny fanitsiana ny Satan'ny orinasa, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo androany, raha nihaino ny fangatahan'ireo mpiasan'ny JIRAMA izy... • Natsahatry ny Fitsarana ny fanjehana ny Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Clémence Raharinirina sy Alban Rakotoarisoa. Tsy tonga nanatrika ny Fitsarana ny mpitory... • Mandry an-driranantsy efa ho taona maromaro izao, ireo tompon-tany ara-dalana mpamboly vary ao an-Tsihanaka, Distrikan'Ambatondrazaka. Manjaka ny fibodoan-tany ataon'ny andian'olona maromaro...

♦ Milaza ny hanapaka ny jiro manerana ny nosy rahampitso ireo sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA manao fitokonana. Mamory ny sasany amin'ireo mpiasa eny Soanierana ny mpitarika nanomboka ny antoandro teo... ♦ Miantso ireo tanora milaza ho diso fanantenana sahady amin'ny fitondràna amin'izao ny KIFAMA mba hahari-pery. Tsy vita ao anatin'ny andro vitsy ny fanarenana ny Firenena hoy ity fikambanana tanora ity, omaly... ♦ Nahafahana nitsitsy vola 2miliara mahery ny fandatsahan'orana artifisialy, raha ny tatitra nataon'ny Ministry ny angovo. Misy hoy izy ny paik'ady hitadiavana ny vahaolana maika ialàna amin'ny fahatapahan'ny herinaratra...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...