♦ Nisaotra manokana ny foloalindahy malagassy tamin'ny ezaka nataony niaro ny andrim-panjakàna ny Praiministra Ntsay Christian. Nandritra ny fanombohana tamin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan'ny fahaleovan-tena sy nijoroan'ny foloalindahy no nilazany izany... ♦ Baolina kitra, mitarika vonjy maika ao amin'ny vondrona "I" misy azy amin'ny fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2026 i Madagasikara. Resin'i Barea tamin'ny isa 02 noho 01, tamin'ny alina i Comores... ♦ Nanazava tamin'ny ankapobeny ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna asiam-panitsiana ho an'ny taona 2024 teny Tsimbazaza omaly ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Tsy tratra ny vinavina fampidiran-ketra...
♦ Nahena 4,9% ny vola natokana ho fampandehanan-draharaha eny anivon'ny minisitera tsirairay avy... ♦ Ao anatin'ny fanjana ny lalàna velona ihany no hampisy ny fitoniana eto amin'ny firenena, manoloana ny fanehoan-kevitra samihafa tao aorian'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany, tamin'ny alalan'ny fananganan-tsaina teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny fankalazana faha-64 taona niveranan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara...
♦ Tsy nisy intsony nanomboka ny maraina teo ny fironam-bokatra, tamin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, izay navoakan'ny CENI... ♦ Hiakatra kianja ao Afrika Atsimo anio ny Barean'i Madagasikara. Arahanao ao anatin'izao vaovao izao ny hevitry ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy... ♦ Hotokanana amin'ny 15 jona 2024 ny MIAMI ao Toamasina...
♦ Hotanterahana anio manomboka amin'ny 10 ora maraina eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana fankalazana ny fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Hampahafantarin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo anio amin'ny 10 ora maraina eny Tsimbazaza, ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitisana... ♦ Andro faharoa ho an'ny hairanty ho an'ny sehatra tsy mainkina misahana ny fahasalamana ny anio. Tanjona amin'izany ny fanatsarana ny fitsaboana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco