♦ Mety ho mbola tsy ho amin'ity herinandro ity indray ny hitsanganan'ny governemanta vaovao. Mangina tanteraka ny momba izany, 20 andro taorian'ny namerenana ny praiministra amin'ny toerany... ♦ Misy tsy nety nitsara ny taratasim-panadinana Bakalôrea ireo mpampianatra sasany. Tsy eken'izy ireo ny fanaovana taratasy fanekena, ka nisy ireo tsy niroso tamin'ny fitsaràna, omaly... ♦ Tantsambo malagasy 60 isa no mbola tavela any Kômôro hatramin'izao noho ilay fepetra fisorohana ny fidiran'ny aretina Kôlera tany Mahajanga. Mitaky ny hampodiana azy ireo ny fianakaviany... ♦ Raikitra ny hetsi-panoherana ny voka-pifidianana any Venezuella, taorian'ny filazàna ny nahalany ny filoha Nicolas Maduro...
♦ Nanomboka omaly ny fitsaràna ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo mpiadina Bakalôrea, hivoaka afaka tapa-bolana ny vokam-panadinana hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Nakatona ny toerana fitrandrahana volamena antsokosoko any amin'ny reniranon'i Sahavatona any amin'ny Kaominina Vavantenina, olona iray no natolotra ny fitsaràna... ♦ Manahy ny amin'ny fisian'ny kolikoly avolenta manoloana ny raharaham-pitsarana amin' ireo voarohiroy ho namono an'i Rakotondrazafy Alain Maherinjaka na Allan ny reniny, niakatra fitsarana omaly teny Anosy ny raharaha... ♦ Mampiahiahy ny vondron'ireo firenena any Amerika Latina ny Vokam-pifidianana filoham-pirenena tany Venezuella...
♦ Miroso amin'ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ny mpiadina bakalôrea ny eto Antananarivo. Afaka iray volana no mivaly ny fanadinana, raha tsy misy ny fiovana... ♦ Atsy Afrika ny Filoham-pirenena sy ny delegasiôna tarihiny, tao aorian'ny fitsifihany tany Frantsa. Ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan'i Madagasikara ara-toekarena amin'i Guinée Bissau sy Angola no tanjona... ♦ Nakatona ny fitrandrahana volamena an-tsokosoko tao amin'ny Fokontany Vohilengo, Kaominina Vavatenina, Faritra Analanjirofo. Tsy manana fahazoan-dalana ireo mpitrandraka...
♦ Miahiahy ny vovonana Gasy Leo fa mety tsy ho tanteraka amin'ity taona ity indray ny fifidianana ben'ny tanàna, noho ilay fanemorana izany amin'ny 11 desambra indray... ♦ Tsipahan'ny Fisemare ny hampiharana ilay lalàna vaovao mifehy ny asa, vao nolanian'ireo Parlemanta farany teo. Natao izay hamparefo ny mpiasa malagasy amin'io lalàna io, hoy ny avy amin'ity sendikà ity... ♦ Mirongatra izaitsizy ny famonoan'olona varira any amin'ny Faritra atsimo atsinanana, amin'izao fotoana izao. Vao nisy tranga hita indray tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo... ♦ Mbola lany fanintelony ho filoham-pirenena any Venezuela Andriamatoa Maduro...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco