♦ Nolanian'ireo Loholona IRD, ho Filohan'ny Antenimieran-doholona androany, ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Nilaza ho tsy miamboho adidy izy, raha omena ny fahefana hitantana vonjy maika ny firenena, saingy tsy hiady ny hahazoana izany... ♦ Voasoroko ny fifandonana teo amin'ireo samy mpomba ny kandidà andaniny sy ankilany, teny Ampasapito androany. Afaka nanao ny diabe am-pilaminana nihazo an'i Manjakaray sy Ambodivona, ireo kandidà 11 sy ireo mpomba azy...

♦ Nanao antso avo ny vahoaka Malagasy handala mandrakariva ny fiombonana sy hiaro ny aina ny Vaomieran’ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana… ♦ Hanatanteraka zaikabe ny FTK Arsidiosezy Atsimo Atsinanana ny 27 ka hatramin’ny 29 ôktôbra 2023… ♦ Natokana hivavahana sy hifadian-kanina ho an’ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ho an’ny Tany Masina ny 17 ôktôbra 2023…

♦ Ahiana hafampana ny zava-misy eny Ampasapito, manoloana ny hetsika samy hafa hataon'ny mpomba ny kandidà miisa 11 sy ny avy amin'ny kandidà laharana faha-3... ♦ Lany ho Filohan'ny Antenimieran-doholona ny maraina teo, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Loholona vao notendrena farany teo... ♦ Tombanana hanorana mety arahan-kotroka ny eto amin'ny Faritra Analamanga, anio sy rahampitso...

♦ Mbola hitohy anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Antenimieran-doholona. Tsy tapak'ireo Loholona omaly ny fanesorana amin'ny toerany ny Filohany, Razafimahefa Herimanana... ♦ Mihemotra ho amin'ny 16 nôvambra 2023 ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, fihodinana voalohany, ary niampy 15 andro ny fampielezan-kevitra. Voatazona ny datin'ny 20 desambra, fifidianana fihodinana faharoa... ♦ Hifamaliana ny resaka fanakorontanana eo amin'ny kandidà laharana faha-3 izay manohy ny fampielezan-kevitra sy ny vondron'ireo kandidà 11, tsy mihemotra amin'ny diabe amim-pilaminana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...