♦ Olon-tsotra 12 sy mpitandro ny filaminana 4 no naratra omaly, vokatry ny hetsika nisy tany Taolagnaro. Polisy sy zandary 32 ihany koa no nataon'ireo mponina takalon'aina, manoloana ny raharaha misy eo amin'izy ireo sy ny orinasa QMM... ♦ Tsy maintsy hisy ny tatitra ara-bola eo anivon'ny Antenimeram-pirenena, hoy ny filohany omaly, manoloana ny fitakian'ireo solombavambahoaka sasany ny fitantanana ara-bola eo aniovn'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Mitaky ny hanafainganana ny famoahana ny didy fampiharana ny fanonerana ireo niharam-boina, noho ny krizy politika teto Madagasikara ny Federasion'ny Gadra Politika. Ankasitrahan'izy ireo ny fisorohan'ny CFM amin'ny fanaovana Fampihavanam-pirenena...
♦ Tsy maintsy hisy ny fanaovana tatitra momba ny fitantanana ara-bola eny anivon'ny Antenimeram-pirenena, raha ny nambaran'ny Filohany, Christine Razanamahasoa, manoloana ny fitakian'ireo Solombavam-bahoaka sasany ny hisian'ny fitantanana magaraharahara eny anivon'ity andrim-panjakana ity... ♦ Mangataka ny hanafainganana ny famoahana ny didy fampiharana mikasika ny fanonerana ireo niharam-boina tamin'ireo krizy nifandimby teto Madagasikara, izay voafaritry ny lalana, ny fikambanan'ireo gadra politika na ny FEDEP, tamin'ny fanambarana nataon'izy ireo androany...
♦ Tsy maintsy hihemotra avokoa na ny fanadinana na ny fidirana sy famaranana ny taom-pianarana ho an'ny fakiolte maromaro, eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Tsy ho voafehin'ny fitondrana ankehitriny ny olana ateraky ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, hoy ny Antoko Teza... ♦ Mbola tsy milamina tanteraka hatramin'izao ny disadisa misy eo amin'ny orinasa QMM sy ireo andian'ny mponina ao Tolagnaro...
♦ Nihemotra ny demokrasia teto Madagasikara, hoy ny HCDDED. Nahitana taratra izany, hoy ity Filankevitra ambony ity, ny fisian'ireo toe-draharaha politika niseho tato ho ato... ♦ Anatin'ny main-tany, no heverin'ny CENI hanatanterahana ilay fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Hanomboka ny volana oktobra izany, hoy ny Kaomisera nasionaly eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Hahisty ny drafitra hanatsarana ny sehatry ny fandriampahalemana eto amintsika. Misy androany sy rahampitso ny atrik'asa handinihana izany, etsy amin'ny CCI Ivato, karakarain'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco