♦ Natolotra ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina tamin'ny fomba ôfisialy androany, tany Vienne, Autriche, ny loka maha tompon-dakan'ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika na IDDA III, izay nokarakarain'ny ONUDI... ♦ Hanomboka amin'ny faran'ny taona ny tetikasa fampiasana angovo madio amin'ny fahandroan-tsakafo sy ny "Kit solaire" ho an'ny Malagasy hatrany amin'ny 3 tapitrisa, izay hanampian'ny OPEC FUND an'i Madagasikara...
♦ Hotanterahana anio ny lalao manasa-dalana eo amin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona, sokajy lehilahy. Marobe ireo mpijery efa nilahatra tapakila hatramin'ny maraina, hijery ny fihaonana eo amin'ny Ankoay sy ny ekipan'i Mali... ♦ Fanehoan-kevitra momba ny fampiharana ny PSE... ♦ Tompon'antoka voalohany amin'ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana ireo mpamily, raha ny fanadihadiana natao tamin'ny tompon'andraikitry ny Maki eny Andohatapenaka...
♦ Tsy miankina amin'ny krizy ny firosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena, ary mihatery ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara, hoy ny firaisamonim-pirenena Rohy, raha nanao tombana ny zava-misy eto amin'ny firenena... ♦ Tsy tokony hokorontanina sy hosimbaina noho ny tombontsoa pôlitika sy ny fitiavan-tena ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... ♦ Handray fepetra amin'ny fanaraha-maso ireo seranam-piaramanidina sy ireo toeram-pitsaboana ny fitondram-panjakana, hitiliana ny "Variole du singe"...
♦ Mihatery ny fahalalahana maneho hevitra, eto Madagasikara, amin'izao akaiky fifidianana izao. Fomba fahitan'ny vovonan'ny fiarahamonim-pirenena Rohy izany... ♦ Handray andraikitra amin'ny fanaraha-maso ireo seranam-piaramanidina ny fanjakana, hitiliana ilay aretina "Variole de singe"... ♦ Lavo teo amin'ny ankatoky ny famaranana ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy tamin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona. Tamin'ny isa 98 noho 66 no nandresen'ny Ejipsiana antsika, tany amin'ny kianja mitafon'Antsirabe...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco