♦ Manakoako manerana ny nosy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Ho ampiitomboina ny teti-bolam-panjakana hanampiana ny vehivavy hoy ny tompon'andraikim-panjakana tao Antsirabe... ♦ Tany aminny distrika Maroantsetra no nisy ilay rivodoza Gombé tamin'ny 10 ora maraina teo. Hihena miandalana ny heriny hoy ny Météo... ♦ Nankatoavin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ny fivoahan'ny famatsiam-bola 67,5 tapitrisa dôlara ho an'ny firenena malagasy, tafiditra anatin'ny FEC, ho fanarenana ny toe-karena taorian'ny krizin'ny Covid...

♦ Marihina anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany isika eto Madagasikara, ka any Antsirabe no misy ny hetsika nasiônaly... ♦ Nahazo anarana rivo-doza Gombé ilay andro ratsy tao amin'ny ranomasimbe Indiana. Efa tafiditra an-tanety tany avaratr'i Cap Masoala androany maraina... ♦ Mitaky ny hamotsorana ny filohan'y sendikan'ny CNaPs ny firaisankina sendika eto Madagasikara. Mampitandrina ny fitondram-panjakana ny SSM...

♦ Niakatra ho dépression tropicale ilay andro ratsy any amin'ny ranomasimbe Indiana. Vinavinaina hiditra an-tanety rahampitso maraina... ♦ Mampitandrina ny fitondram-panjakana ny firaisan-kina sendikaly eto Madagasikara na SSM, fa tsy ho zakan'ny firenena ny fisian'ny hetsi-pitakiana hataon'ny mpiasa manerana ny nosy... ♦ Niezaka nitondra fanazavana momba ny resabe naterak'ilay fandrarana ny entana entin'ny mpandeha fiaramanidina androany ny Ministra Tinoka Roberto...

♦ Mihamanakaiky an'i Madagasikara ilay andro ratsy any atsinanan'i Cap Masoala. Tombanana hiditra an-tanety rahampitso amin'ny tanjaka " dépression tropicale" izy hoy ny Météo... ♦ Manamafy ny fitakiana Ministera manokana ho an'ny kolontsaina ny Fivondronamben'ireo fikambanana mpandala ny fomban-drazana eto Madagasikara. Tokony sarahina amin'ny Serasera hoy izy ireo, ny resaka Kolontsaina...  ♦ Ny antoandro teo no nosokafana tamin'ny fambolen-kazo any amin'ny farihin'Andraikiba ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy any Antsirabe...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...