♦ HIkatona tanteraka afaka enina andro ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RALE... ♦ Miantso ny fahatongavan-tsainan'ireo solombavambahoaka namany, ny solombavambahoaka Rakotondrasoa Fetra manoloana ny fanetsehana ireo antontataratasy eo am-pelatanan'ny fitsarana avo... ♦ Maro ireo mpanjifan'ny Jirama mitaraina fa tafakatra avo telo heny amin'ny vola aloa isam-bolana ny fandaniana jiro sy rano... ♦ Miaro ny tanindrazana ireo tafika Russe miatrika ny ady any Ukraine hoy Vladimir Poutine...

♦ Miditra amin'ny herinandro fahatelo ny Oniversite maty amin'ity herinandro vaovao ity. Fanapahana mifototra amin'ny antony politika no andikàn'ny Seces ny fandavan'ny HCC ny fizakantenan'ny Oniversite... ♦ Hiverina anio indray ny fanadihadian'ny mpitsara ireo mpanolontsaina monisipaly eo anivon'ny Kaominina Antananarivo renivohitra, ahitàna mpanolontsaina monisipaly IRK iray sy TIM miisa 6... ♦ Roa ireo lavo tsy nahatohitra ny Covid-19 tao anatin'ny herinandro, nitombo isa koa ny tranga vaovao... ♦ Hampitsahatra ny fanafarana solika avy any Rosia ny G7...

♦ Miroso amin'ny dingana manaraka amin'ny fanadiovana ireo volamena iray taonina mahery voahangona ao amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara hananany lanja amin'ny fifanankalozana iraisam-pirenena isika Malagasy hoy ny ministry ny harena ankibon'ny tany sy ny loharanon-karena ara-stratejia... ♦ Tsy mbola misy fiatraikany eto Madagasikara ny fampihatoan'i Indonezia ny fanondranana menaka. Tsy hatahorana ny mety tsy ho fahampiany hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny ministeran'ny varotra... ♦ Saro-piharo amin'ny fizakan'ny malagasy ny taniny ny Tafi Mihaavo. Nifampidinika tamin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny ministera misahana ny fananan-tany izy ireo momba ilay lalàna vaovao mifehy ny fananan-tany...

♦Nitokana fotodrafitr'asa maro tany Vohipeno sy Farafangana omaly ny filoham-pirenena. Ho an'ny lalana ao Farafangana, volam-panjakana no nanaovana izany hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Nihaona tamin'ny mpikirakira lavanila maintso tany amin'ny faritr'i Sava ny ministry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Tsy maintsy jerena ny tombotsoan'ny tantsaha mpamokatra hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy... ♦ Harena ankibon'ny tany : hamerina an'ireo mpitrandraka madinika anatin'ny sehatra ara-dalana ny ministera tompon'andraikitra... ♦ Mbola nampitandrina an'i Suede sy Filande amin'ny fikasany hiditra ao amin'ny OTAN i Rosia...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...