♦ Efa manomboka no hita taratra ny toerana misy ireo voafonja roalahy tafatsoaka tao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy. Efa tratra kosa ilay voafonja iray antsoina hoe i Mainty, ary ho maro ireo olona handalo fanadihadiana noho ny fandosirany tao amin'ny fonjakely... ♦ Very olona alain-tahaka ny Malagasy, hoy ny Roso ho an'ny Demokrasia Sosialy, androany... ♦ Mbola tsy miravona ny disadisa eo amin'ny solombavam-bahoakan'ny Boriboritany fahadimy ao Antananarivo Renivohitra sy ilay Sefo Fokontany teo aloha tao Analamahitsy. Miandry ny fandraisana andraikitry ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena ny mpisolovava azy...
♦ Olona 7 no indray namoy ny ainy, ny maraina teo, vokatry ny lozam-pifamoivoizana, nahazo ny Sprinter nitondra mpiala sasatra avy any Fianarantsoa ho any Toamasina. 15 hafa kosa naratra... ♦ Diakra 32 no nohamasinina ho pretra tany amin'ny Diôsezin'Antsirabe afak'omaly, avy amin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 9 tamin'ireo. Omaly ihany koa Masera 3 avy amin'ny Fikambanana Fille de Marie Auxiliatrice no nanao voady farany tany Betafo... ♦ Tsy mitombina ny filazàna fa ambany ny vidin'ny vatosoa eto Madagasikara, miohatra ny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny FOM na ny Federasiona ivondronan'ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany...
♦ Hamaritra ny mety ho fandraisan'anjarany amin'ny fifidianana sy ny olona ho atolotra amin'izany, ny kongresy nasiônalin'ny Antoko MMM, izay hirosoana tsy ho ela. Nitatitra ny fivorian'ny antenimeran-doholona tamin'ireo mpifidy vaventy tamin'ny faran'ny herinandro ny loholona avy amin'ny MMM... ♦ Mangataka ny hanesorana ny mpitantana ny APMF ny sendikan'ny mpiasa ao aminy, noho ny ambaran'izy ireo fa fisiana kolikoly amin'ny fitantanana... ♦ Isan'ny efa misitraka ny fanomezana tany, anatin'ny tetik'asa "Titre vert" ireo mponina lasibatry ny kere any Amboasary-Atsimo. Fianakaviana sahirana 160 isa aloha izao no efa nomena trano, tany hambolena, sy biby fiompy ; fa omena sakafo ihany koa aloha anatin'ny 3 volana...
♦ Nihena ny tahan'ny fahasimban'ny ala tao amin'ny tandavan'ala Ankeniheny-Zahamena sy Ambositra-Vondrozo, araka ny tatitra nivoaka omaly. Izay no vokatra azo tamin'ny tetikasa Tontolo Voajanahary Lovain-jafy... ♦ Natomboka tany Toamasina omaly, ny fikaonan-doha isam-paritra momba ny fikarohana siantifika sy ny haivao... ♦ Tsara fanombohana ny ekipa Ankoay Malagasy, mandray anjara amin'ny Afrobasket U-18 lehilahy. Resiny omaly ny ekipa avy any Bénin...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco