♦ Saika hiditra an-keriny ny Lapan'ny tanàna eny Analakely ny avy amin'ny HOPE-Ami, mitaky ny hialàn'ny Ben'ny tanàna. Raikitra ny fifandonana teny an-toerana ny antoandro teo... ♦ Niverina nidina an-dalam-be indray ireo mpianatry ny sekolim-panjakàna sasany ao an-drenivohitra. Nilaza ireo mpampianatra mitokona fa tsy misy idiran'izy ireo izao hetsiky ny mpianatra izao... ♦ Mahazo vahana ny fitokonan'ny mpampianatra amina Faritra maro. Mbola mampiato ny fampianarana amin'ny Sekolim-panjakàna izy ireo nanomboka omaly... ♦ Ahitàna fihenàna betsaka ny famotehana sy fitrandrahana ala any Brésil...
♦ Nampanantsoina teto Madagasikara ny masoivoho Malagasy atsy amin'ny nosy Maorisy, noho ny raharaha Mamy Ravatomanga. Tsy marina ny filazàna ny amin'ny fametrahany fialàna hoy Andriamato Camille Vital, omaly... ♦ Nahery vaika indray ny hetsi-bahoaka fitakiana fanesorana Ben'ny Tanàna tato ho ato. Nametra-pialàna vokatr'izay hetsi-pitakiana izay omaly, ny Ben'ny Tanàna an'Ambalavao, Distrika Atsimondrano... ♦ Misy lasa mivadika fampanaovana asa mamoafady ny sasany amin'ireny orinasa manao "Call Center" eto Antananarivo ireny amin'izao. Mpiasa vitsivitsy no sahy nijoro vavolombelona tamin'izany...
• Nampanantsoin'ny fanjakana eto an-toerana, momba ny raharaha Mamy Ravatomanga, ny Masoivohon'i Madagasikara atsy Maurice. Nodisoin'Andriamatoa Camille Vital ny filazana fa nametra-pialana izy... • Nisy andian'olona nanao fihetsiketsehana indray teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany. Nilanja sora-baventy milaza ho tsy mila ny fanoloana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo ho PDS, izy ireo... • Nidina an-dalambe sy nanao hetsika teny anoloanan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany, ireo mpianatry ny Sekolim-panjakana sasany ao an-drenivohitra. Nitaky ny hiverenan'ny fampianarana izy ireo...
♦ Nidina an-dalambe teny Analakely sy Anosy ireo ampahany amin'ny mpianatra amin'ireo sekolim-panjakàna ao an-drenivohitra mitaky ny hiverenan'ny fampianarana... ♦ Naharaisana vaovao sy akony ny zava-misy any amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Mbola betsaka ireo orinasa eto Madagasikara no tsy mandoa ny latsak'evmoky ny mpiasa tokony harotsaka any amin'ny CNaPs, ho fitsinjovana ny fisotron-dronono... ♦ Tafakatra 20 farafahakeliny ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny horohorontany nitranga tany avaratr'i Afghanistan, tamin'ny alina...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco